• Talata 24 Martsa 2015
Actualités.Sekoly ambony UPRIM Namoaka manam-pahaizana 200 vaovao indray

Niampy 200 mahery indray ireo tanora mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Diplômes de technicien supérieur sy licence eto amintsika. Mpianatra navoakan’ny sekoly ambony UPRIM izy ireo, taorian’ny nitokanana ny complexe universitaire etsy Andavamamba.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.ADY AMIN’NY FAHANTRANA Hanampy ny tantsaha sy vehivavy marefo ny CECAM

Tratra ny tanjona napetraka taorian’ny fiaraha-miasa’ny Tahiry sy Fampisamborana Ifanohanan’ny Tantsaha sy ny Tahirim-paritra fampiroboroboana ny fambolena any Atsimo Andrefana, amin’ny tolotra findramam-bola ho an’ny tantsaha manamora ny fahazoana fitaovam-pamokarana amin’ny sehatr’asa rehetra iasana. Ny FRDA mividy ny fitaovana, ireo tantsaha mikambana ao amin’ny CECAM kosa mamerina ny vidin’izany tsikelikely ao anatin’ny iray ka hatramin’ny telo taona.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.Ambatomaro Fianakaviana maro no ho very asa

Mety hiato tanteraka ny fanapoahana vato eny Ambatomaro, noho izy tombanana ho fototry ny fikisahan'ny vato eny an-toerana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.VILLAGE TOURISTIQUE MAHAJANGA Roalahy maty an-drano

Avy nilalao baolina ireto zazalahy dimy no nandeha nilomano tao anatin’ny ranomasina. Vokany, roalahy tamin’izy ireo maty dobo an-drano ny alahady hariva tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany. Nampandre ny olona manodidina ireo telo lahy nieren-doza

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.Mpitandro ny filaminana Antsirabe II Nahazo fitaovana

Notoloran’ny solombavambahoakan’Antsirabe faharoa, Rtoa Ravelohanitra Nirina fitaovana toy ny solosaina niisa 03 niaraka amin’ny “Imprimante” niisa roa ary fitaovam-pifandraisana “Walkie-Talkie” roa ny mpitandro ny filaminana tao Antsirabe ho an’ny Polisy sy ny Zandary

Hamaky ny tohiny
  • Talata 24 Martsa 2015
Actualités.Tetikasa “Grand Tana” Novelomina indray

Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina an-tanàn-dehibe sy ny fanatsarana ny toerana onenany ny fitondram-panjakana ka manomboka miresaka indray ilay tetikasa goavana « Grand Tana » na ny fanamboarana, fanatsarana sy fanitarana an’Antananarivo Renivohitra mba ho azo iainana kokoa noho ny misy amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny
FTT