• Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Potika koa ny AIR MADAGASCAR

Hividy fiaramanidina roa hafa indray isika, araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana satria nambara fa efa antitra ary tsy hahazoan’ny Air Madagascar tombony intsony ny fampiasana ireo Boeing 737 roa. Tsy misy maharatsy ny fanavaozana saingy ny olana dia ny vidin’ireo fiaramanidina Airbus A340-300 miisa roa nalain’ny fitondrana tetezamita tamin’ny Air France aza tsy vita dia hiditra hamoaka vola amina fiaramanidina hafa indray ve ? Tsara homarihana fa 11 no isan’ny fiaramanidina ampiasain’ny Air Madagascar amin’izao, izay ahitana Boeing 737-300 teo, Airbus A340-300 roa, ATR 72-500 roa, ATR 42 roa ary Twin Otter roa.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Ambohibao Fiara nandona bisikileta saika hitsoaka, kinanjo…

Nitohana ny fifamoivoizana teny Andranomena sy Ambohibao ary Talatamaty omaly tolakandro, ny antony dia nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny lalana midina an’Ambohibao mankany Imerinafovoany

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Asa fanaovan-gazety Ny fijoroan’ny biraon’ny Holafitra no fanomezan’ny Noely

Raikitra fa dia hotanterahina amin’ny sabotsy 6 desambra 2014 izao, amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 25 manerana ny Nosy, ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Fanafihana mpivarokena tao ankirihiry Balana mpitandro ny filaminana no nampiasain’ny jiolahy

Ny alakamisy 27 novambra lasa teo no nisy nanafika tokony tamin’ny 07ora sy sasany hariva teo am-podiana avy nivaro-kena ity teratany sinoa – malagasy 52 taona monina ao Ankirihiry Atsimo P/elle 11/23, izay namoy ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra teo am-pitondrana azy hoentina hotsaboina teo anivon’ny hopitaly be Toamasina

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Fanamboaran-dalana eny Ankadimbahoaka Ho vita anio ny asa

Ny fanamboarana ny ampahan’ny lalamby ataon’ny orinasa Madarail eo Ankadimbahoaka no nahatonga ny fitohanan’ny fiara goavana teny amin’iny faritra iny tato anatin’ny herinandro latsaka kely izao.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Actualités.Fihariana sy fanondranana jirofo Hatahorana ho simba noho ny tsy fanaharan-dalana

“Tsy manakana ny mpandraharaha jirofo hanao ny asa fanondranany ny minisitera, saingy kosa mila manaraka ny fenitry ny fanondranana ny fihariana jirofo, sy ny fenitry ny fahasalamana, ary fenitry ny kalitao ilain’ny mpividy jirofo eto amintsika…”

Hamaky ny tohiny
FTT