• Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Sherritt Ambatovy Mety hanala orinasa mpiara-miasa indray

Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa mpamokatra nikela ao Ambatovy. Ny antony voalohany araka ny hita ao amin’ny tatitra ataon’ny radio frantsay RFI dia ny fidinan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay lasa 8 000 dolara ny iray taonina ankehitriny. Izany hoe nidina hatrany amin’ny 1/6 ny vidin’ity akora ity hatramin’ny nisokafan’ny orinasa hatramin’ny taona 2007.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Sidex-OI Mitsinjo ny sarambabem-bahoaka

Maro no maniry ny hanatsara na hanavao ny fiarany rehefa faran’ny taona toy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Antananarivo-Renivohitra Tsy azo hamidy amin’ny olon-tsotra ny trano kaominaly

Tsy misy intsony ny tany kaominaly eto Antananarivo-Renivohitra, hoy Atoa Bernard Joseph filohan’ny vaomieran’ny fotodrafitrasa sy fampandrosoana ao amin’ity kaominina ity, hany ka sarotsarotra ho an’ny mpanatanteraka, hoy izy, ny mitady toerana hasiana ireo fiara hampidirina “Fourrière” ao anatin’ny tetikasa fanadiovana ny tanàna.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Olona manana fahasembanana Tsy misitraka ny zony

Tsy mbola misitraka araka ny tokony ho izy ny zony ireo olona manana fahasembanana eto amintsika na dia efa mihamivoatra aza izany, hoy ny fanazavan’ny “Plateforme des federations des personnes handicapés de Madagascar” omaly, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Kilalao mitobaka eny an-tsena 5.000 Ar ka hatramin’ny 800.000 Ar no vidiny

Telo herinandro sisa dia higadona ny fetin’ny krismasy. Samy efa miomana amin’izany avokoa ny rehetra, indrindra fa ireo manan-janaka madinika hividy kilalao hatao fanomezana

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 04 Desambra 2015
Actualités.Fahazoana rano fisotro madio ho an’ny mponina Tsy tratra ny tanjona napetraky ny ministera

Tsy tratra ny tanjona napetraky ny ministeran’ny rano ny amin’ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio, raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Hamelo Solphi Joli, tale jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny rano

Hamaky ny tohiny
FTT