Efa miantraika amin’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ny valan’aretina Coronavirus. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena dia efa misy akony mivantana amin’ny tsena rehetra izany.
Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka mandalo fahasahiranana mafy ihany ireo orinasa afaka haba izay mivondrona ao anatin’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires) eto Madagasikara. Nanambara ny Filoha vao lany omaly izay efa nitondra teo aloha ihany, Atoa Hery Lanto Rakotoarisoa, fa tokony hojeren’ny fanjakana haingana ihany koa ny lafiny ara-toekarena fa tsy variana amin’ny lafiny ara-pahasalamana fotsiny. Na eo aza ity aretina ity dia tokony afaka mamokatra ihany ny orinasa mba tsy hisian’ny krizy hafa indray.
Mila fanapahan-kevitra sy vahaolana
Misy fanapahan-kevitra tokony halamina tsara hoy izy ary tsy maintsy mifampihaino sao dia ho tonga any amin’ny fanajanona mpiasa ny orinasa afakaba kanefa ireo no mampiasa olona betsaka indrindra eto amin’ny firenena. Mila jerena haingana ohatra ny mahakasika ireo sambo mpitondra ireo entana nafarana. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mbola miandry 14 andro hatrany izy ireo rehefa tonga izay miteraka fahasosorana. Afaka hamafisina hisorohana izany anefa ohatra ny fanatevenana fotsiny ireo fitaovana fiarovana amin’ireo mpiasa anaty sambo izay hampalaky ny fampidinana ireo entana miala amin’ny sambo hampiodinana hatrany ny orinasa. Matetika mantsy ireo akora fototra tena ilaina maika no taraiky ao noho io fanapahan-kevitra io.
Fampijanonana mpiasa
Ankoatr’izay dia tokony efa miomana sahady ny fanjakana ny amin’ny fitsimbinanana ireo orinasa tahaka ny tranga misy any Frantsa ankehitriny izay manohana tanteraka ireo orinasa rehetra misy any aminy na dia mandalo fotoana sarotra aza. Amin’izao fotoana izao dia efa misy amin’ireo orinasa mpikambana miisa 106 mivondrona ao amin’ny GEFP no efa ahitana fampijanonana mpiasa tsikelikely ary ahiana ny fihitaran’izany raha tsy misy fandraisan’andraikitra haingana sy matotra ataon’ny fanjakana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.