Harin-karena faobe

Niakatra 0,3% na nitaha ny


  • Zoma 27 Novambra 2026

tanjona na nandalo olana aza, 5,1% ho an’ny 2027…

Natolotra sy novelabelarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Herinjatovo Aimé RAMIARISON teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly alakamisy 26 novambra 2026 Antenimierampirenena Volavolan-dalàna laharana faha-050/2026 mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2027 na ny PLFI 2027. Navoitran’ny Minisitra fa mitohy ny fampiharana ireo laharam-pahamehana voafaritra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho amin’ny Fanavaozana ifotony (PGE-R) sy ny Drafitra Fanatanterahana izany (PMO). Hita ao araka izany ny ezaka mikasika ny fikaonandoham-pirenena, manamafy ihany koa ny fanapariaham-pahefana sy ny fitsinjaram-pahefana, ary koa ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana. Vinavinaina ho 5,1% amin’ny taona 2027 ny fitomboan’ny toekarena faobe ary ezahina ny hamadihana tsikelikely ireo laharam-pahamehana nasionaly ho asa sy vokatra azo tsapain-tanana, ho tombontsoan’ny vahoaka manontolo sy ho amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Ny seha-pihariana voalohany dia vinavinaina hitombo +4,7%, ny seha-pihariana faharoa kosa dia hahitana fitomboana +1,4% amin’ny taona 2027, ny seha-pihariana fahatelo dia antenaina hanohy ny fihatsarany amin’ny taona 2027, ka hiakatra ho +6,7% ny vinavinan’ny fitomboany, raha ny voafaritry ny PLFI027. Nialohavan’ny fintin’ny 2026 moa ny PLFI 2027, izay nanamarihan’ny Minisitry ny toekarena, fa na nifanesy aza ny olana dia nisy fahamarinan-toerana ny toekarena, toy ny rivodoza sy ady. Novavolaina ho 4,1% ny taham-piakaran'ny PIB raha toa ka 3,8% ny tao anatin'ny LFR 2026, izany hoe nisy fiakarany 0,3% noho ny ezaky ny governemanta, nisy ny faharetana na « résilience ». Nisy olana nianjady anefa tamin'ny fiandohan'ity taona ity dia ny fandalovan'ny Gezani, ny fiakaran'ny angovo noho ny ady tany Moyen Orient, ny tsy fahazoana antoka na hitohy na tsia ny AGOA. Somary nidina ny seha-pamokarana voalohany sy ny faharoa, fa ny seha-pamokarana fahatelo no tena nahitana fiakarana tamin’ny harinkarena. Teo amin’ny 2,1% ny fiakarany, raha 4,1% ny vinavina tao anatin’ny LFR. Nitombo be kosa andaniny ny sehatry ny fambolena, izay 4,5% raha 4,1% no novinavinaina noho ny voka-bary, izay tafakatra hatrany amin’ny 10,1% noho ny taorian’ny fanatsarana ireo tany voatondraka sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa amin’ny sehatry ny fambolena. Nisy fihenana be satria niiba –4% kosa anefa ny fiompiana sy ny jono, raha novinavinaina hiakatra 4%. Nihena hatramin’ny 16% ny fanondranana ny hazandrano naondrana ho an’ny 6 volana voalohany noho ny olan’ny sehatry makamba sy ny fihenan’ny tinady tany Chine. Ny seha-pamokarana faharoa dia niiba teo amin’ny -2% raha naminavina 1%. Ny indostrian’ny fitrandrahana no tena nihena satria nijanona 4 volana be izao ny orinasa Ambatovy ka niteraka fihenana -8%. Nihena ihany koa ny sehatry ny zaitra -8% teo noho ny fampiakarana haba nataon’ny Amerikanina sy ny fisalasalana mikasika AGOA, ka nampihena fampiasam-bolany ireo mpisehatra.

NIAKATRA BE NY SEHATRY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Ho an’ny resaka hazo sy fanontanataratasy kosoa dia niakatra 22%. Ho an’ny seha-pamokarana fahatelo, niakatra 7% raha ohatra ka 5% teo ho eo ny tombana. Nahatratra 26,7% mahery ny fifandrandraisan-davitra, raha 52,2% mahery ny resaka « data », izay sokajiana ho sehatra miroborobo be amin’ny taona manaraka. Niakatra ny tontolon’ny fitaterana 9,5% raha novinavinaina 2,5% noho ny tsy fiovaovan’ny vidin-tsolika sy ny fanarenana ireo lalam-pirenena. Ho an’ny asa vaventy na ny BTP dia 6,6%, somary ambany kely noho ny famatsiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Toekarena,
  • Alarobia 25 Novambra 2026

diplaomasia, jeopolitika

  • Faha-100 taonan’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

vola taratasy voalohany

  • Toekarena
  • Zoma 20 Novambra 2026

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

  • Angovo azo avy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

amin'ny masoandro

  • Hakarina ny
  • Alarobia 11 Novambra 2026

12% ny fampidiran-ketra

  • Harena an-kibon’ny tany
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Mananika ny 400 tapitrisa

Hijery ny tohiny
FTT