Toekarena

ZES Madagascar Tsy maharesy lahatra an`ireo mpamatsy vola


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Efa an-taonany no nanomanana sy nikotrehina ny volavolan-dalàna niaraka tamin’ireo “Consultant international” mahakasika ny fametrahana ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara.

 Niantso ireo mpandraharaha Malagasy na vahiny ny komity mpikarakara ny C2ISNM ho avy handinika ny tetibola ilaina amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa toy ny seranan-tsambo, seranam-piaramanidina, indostria mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ao Antsiranana  kanefa dia vitsy ireo mpamatsy sy mpampiasa vola eto an-toerana sy any ivelany namaly ny antso nandritra ny fanokafana ofisialy ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ny ZES ao Antsiranana. Efa nilaza tsy mankasitraka ny fametrahana io ZES io ireo mpamatsy vola goavana toy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI nefa dia misisika amin`ny fanatanterahana an`izany ny fitondram-panjakana. Kitoatoa sy tsy misy fotony mantsy ny famolavolana ilay lalàna mifehy ny ZES sy ny LDI. Tsiahivina fa efa nandalo teny amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC saingy tsy nankatoavin`ity farany ity noho ny fisiana andininy tsy mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana manan-kery ankehitriny. Araka ny fanazavana nomen`Atoa Mahazoasy Freddie, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sady filohan`ny NBSI (Northen Madagascar bord of strategy investement) kosa dia efa dinihana eo anivon`ny filankevitry ny governemanta ary nambarany fa mbola hisy ireo mpamatsy vola andrasana toy ny maorisianina sy ny avy any Dobay. Tsy azo lavina fa miisa 4 000 ny tetikasa ZES maneran-tany kanefa marefo ny tontolo politika eto amintsika. Haharitra efatra andro ny vela-kevitra faharoa mikasika ny fampiasam-bola stratejika mifandraika amin`ny ZES ao Antsiranana ary hofaritana sy hodinihana mandritra ny fivoriana ny asa sy ireo sehatrasa izay mety hiforona ao anatin`ity tetikasa ity  na dia efa miroso aza ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana ny ZES. Hitohy any Antsiranana kosa ny fitsidihana ny toerana momba ny fametrahana ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny hevitra fonosin’ny faritra ara-toekarena na « Zone économique spécial » (ZES) ireo mpandraharaha.


 

Ny ZES dia faritra ara-toekarena voahidy azo antoka ao anatin’ny firenena iray izay voafehin’ny lalàna manokana. Sehatra ahafahan’ny tsirairay mivelatra ihany koa amin’ny lafiny famokarana, izany hoe mahakasika ny tontolon’ny toekarena Malagasy, toy ny famoronana asa sy ny famokarana vokatra afaka mifaninana amin’ny any ivelany. Misy ihany anefa tetikasa tsy azo atao amin’izany dia ireo izay manohintohina ny maha Malagasy. Telopolo taona azo havaozina no hiasan’ny ZES eo amin’ny toerana iray mba ahafahany manonitra ny efa lany rehetra. Marihina fa tanim-panjakana no azo ampiasaina fa tsy tanin’olon-tsotra.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT