Toekarena

Zanabohitra Andilamenakely Filamatra amin’ny fampandrosoana


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Olona nifindra monina avy ao Betatao distrika Anjozorobe no namorina tanàna any Andilamenakely ny taona 1930.

Nanonomboka ny taona 1990 no nihazakazaka ny tontolo ny fampandrosoana tany an-toerana teo amin’nyfampidirana rano fisotro madio niarahana tamin’ny FIKRIFAMA. Taorian’izay dia nivondrona ny fokonolona nanangana fikambanana mba hafahana mitady vola hoentina hitantanana ny famatsian-drano tao an-toerana. Raikitra fa mandoa vary akotry iray vata avy ny lehilahy feno 18 taona. Nahatratra 2 taonina ny vary voangona. Nitsiry indray ny hevitra fa hampindramina ny mpikambana ny vary ka misy zanany 30%.Tamin’ny taona 2014 dia resy lahatra ny mponina fa hanangana efitrano atao tobim-pahasalamana satria lavitra loatra ny ao amin’ny renivohitry ny fokontany Tanambao Besakay. Tontosa ny fananganana ny trano izay nandaniana vola 50.000.000 ariary. Zava-dehibe ho an’ny mponina ao Andilamenakely ny firaisankina sy ny fifanajana ka tsy mahagaga raha mahavita manatsara ny tontolo ny fampandrosoana ao amin’ny ny fokonolona na tsy misy fanampiana avy any ivelany aza. Tsara alain-tahaka ho an’ny rehetra arak’izany ny zava bitan’ izy ireo.

                                                                                       Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT