Toekarena

Ylias Akbaraly Mbola voasokajy ho isan’ny « CEO de l’année »


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Mbola nosokajian’ny Financial Afrik ho isan’ireo olona 100 voasokajy ho mitondra fanovana an’I Afrika ny CEO-n’ny Vondrona Redland Ylias Akbaraly.

Ao anatin’ireo « CEO de l’année » na mpitantana oronasa mendrika nandritra ny taona izy, izay efa roa taona misesy tamin’ity no nahatafiditra azy tao anatin’izany. Ivondronan’ny Vondron’orinasa Sipromad sy ny Thomson Broadcast izay azony nanomboka ny aogositra 2018 moa ny Redland, ary voasokajy ho orinasa nahomby sy nahatanteraka ny fanamby hitondra fanovana amin’ny alalan’ireo orinasa mandrafitra azy mba ho lasa iray amin’ireo orinasa tena matanjaka sy manana ny maha izy azy aty Afrika, araka ny fahitan’ny Financial Afrik azy. Isan’ny nanamarika ity taona ity ho azy ny fahazoany GatesAir orinasa sangany Amerikanina eo amin’ny sehatry ny famokarana sy fikirakirana ary varotra eo amin’ny tontolon’ny fahitalavitra sy radio, izay lasa rantsan’ny Thomson Broadcast any Etazonia.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT