Toekarena

Women in business Nifampizara traikefa ireo vehivavy mpandraharaha


  • Alarobia 02 Mey 2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny Ibis Akorondrano ny tontolo andron’ireo mpandraharaha vehivavy izay nosalorana ny anarana hoe WIB na Women in business.

 
Ry zareo eo anivon’ny vondron’ireo mpandraharaha vehivavy eto Madagasikara moa na ny GFEM no anisan’ny mpandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity. Araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Fanja Razakaboana, dia miisa 220 hatreto ireo vehivavy mpandraharaha mikambana ao amin’ny GFEM. Mbola mampirisika izay fandraisan’anjara mavitriky ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana izay moa izy satria, raha ny fanazavany, dia anisan’ny fototry ny fandrosoana izany. Maneran-tany, hoy ny tenany dia nahitana fitomboana 10% ny tahan’ireo vehivavy mandraharaha ary nahitana fihenany 5% ny elanelam-pandraharahana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mbola olana eto amintsika kosa anefa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny indostria, Tazafy Armand, ny lafiny famatsiana amin’ny famokarana orinasa ka antenaina fa mba hivoahana vahaolana hanabe voho izany kokoa iny fifampizarana traikefa omaly iny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT