Toekarena

Vovonan’ny tanora Malagasy Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nampahafantarina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fijoroan’ny plateforme MG ikambanan’ny ireo tanora sy fikambanana maro samihafa mivondrona ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

 

Lasa fomba ivelany sy fahazarana fotsiny ny fidradradradrana ny amin’ny fampandrosoana fa tsy misy fijoroana sy fandraisan’andraikitra ka izany no antony nananganana ity vondrona ity araka ny tatitra nataon’dRamatoa mpikambana ao amin’ny plateforme MG. Misy ny tetik’asa sy fandaharan’asa ho tanterahin’izy ireo tahaka ny fampianarana ny tanora hiompana bebe kokoa amin’ny sehatra famoronana asa. Eo ihany ny fanabeazana ny tanora sy ny olom-pirenena hahay handray andraikitra amin’ny ho aviny ary hahafantatra ny zo sy ny adidiny amin’ny tanindrazana. Marihina fa tsy antoko politika ary tsy manana kandida tohanana ity vondrona mijoro ara-panjakana ity. Ahitana sokajin’olona samihafa tahaka ny mpandraharaha,mpahay toekarena, mpanao gazety,mpianatra eny fa hatramin’ny olon-tsotra moa ity fikambanana ity ary mbola miantso hatrany izay tia tanindrazana hanatevina azy ireo.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT