Toekarena

Vondron’ny vehivavy mpandraharaha Nanome fiofanana tany amin’ny faritra


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha na ny “Groupement des femmes entrepreneurs” tarihin-dRazakaboana Fanja,

 

 

 hanampiana ireo vehivavy mpandraharaha eto amintsika mba ho matihanina amin’ny asa hatrehiny ka ho afaka hanondrana ny vokatra vokariny mankany ivelany.  Vehivavy mpandraharaha am-polony tany amin’ny Faritra Matsiatra ambony, Toamasina ary DIANA indray  no nomen’izy ireo fiofanana momba ny lalam-pihariana vary sy ny fanodinana voankazo ny herinandro lasa teo taorian’Antananarivo. Ny vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa Procom, raha tsiahivina, no mamatsy vola. Ny tanjona dia ny hamoahana vehivavy mpandraharaha Malagasy miisa 35 mahafehy tsara ny paikam-barotra ataony aorian’ny fiofanana hatrehin’izy ireo. Nambaran-dRajaonarison Julie, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny GFEM tamin’izany fa hahazo tohana ara-bolana manokana izay vehivavy mpandraharaha mendrika indrindra hahafahany manatsara ny asa fihariany. Ny 19 mey ho avy izao moa no hikatona tanteraka ity fanofanana vehivavy mpandraharaha ity ka aorian’izay dia hirotsaka an-tsehatra hanara-maso ireo mpahazo tombontsoa ny mpamatsy vola mba tena hisy vokany amin’ny toekarem-pirenentsika izany ary hahazo vahana any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.

 

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT