Toekarena

Vondron’ny orinasa afaka haba GEFP Mitaky fanalefahana ara-teknika sy ara-taratasy


  • Talata 08 Martsa 2022

Nisy omaly ny fihaonan’ireo solontenan’ny mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny orinasa afaka haba na ny GEFP tamin’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (MICC) Atoa Edgard

 Razafindravahy. Nanolotra teboka vitsivitsy mitaky fanalefahana sy fanamaivanana ary fanatsarana eo amin'ny lafiny ara-teknika sy ara-taratasy ny Vondron'ny orinasa afaka haba sy mpiara miombon'antoka, ho fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara. Nambaran'ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fahavononan'ny Minisitera hanampy ireo orinasa afaka haba ahafahan'izy ireo mampiroborobo ny sehatr'asany izay misahana asa manodidina ny 150.000 isa. Nanamafy fa manohana sy mihaino ary mitantsoroka hatrany ireo orinasa afaka haba ny MICC, nandritra ny fandraisana ny GEFP notarihin'ny filohany. Isan’ireo sehatra tena nizaka ny ngidin’ny krizin’ny coronavirus ny orinasa afaka haba, ary mbola misedra ny mafy amin’izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT