Toekarena

Vondron’ny Mpandraharaha Mitaky ny fangaraharana amin’ny fandoavan-ketra


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Fitakiana nentin’ny mpandraharaha ny mahakasika ny fangaraharahana amin’ny fandoavan-ketra nandritra ny atrikasa fakan-kevitra eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina omaly tetsy Anosy.

 Voakasika amin’izany ny fampidiran-ketra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eto amin’ny Faritra Analamanga. Niainga avy tamin’ny tranga niseho tamina kaominina iray teto amin’ny Faritra Analamanga no nitsirin’ny hevitra nikarakarana ity atrikasa ity. Tanjona ny hampahafantarana ny andraikitry ny tsirairay avy amin’ny loharanom-bola eny anivon’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ireo fa eo ihany koa ny mba ahafahana manitsy izay lesoka rehetra amin’ny fomba fampidiram-bola. Aorian’ny atrikasa dia azon’ny fanjakana ampiasaina ny antontan-kevitra mivoaka avy amin’ny atrikasa ary ahafahana  mandrafitra lalàna raha ilaina. Ny hetra avy amin’ny fandraharahana ataon’ny mpandraharaha no anisan’ny loharanom-bola mampihodina ny raharaham-panjakana eny amin’ireny vondrom-bahoaka hitsijaram-pahefana ireny izay miteraka ny fampandrosoana eny anivon’ny kaominina. Ho an’ny vondron’ny mpandraharaha, milaza izy ireo fa tsy mandà ny adidy amin’ny fandoavan-ketra saingy ilaina sady takiana kosa, hoy izy ireo, ny fametrahana ny mangarahara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT