Toekarena

Vondron’ny mpampiasa Frantsay Mitsirika mafy ny fandraharahana eto


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Nihaona tamin'ireo mpisehatra lehibe anatin’ny fandraharahana ara-toekarena eto Madagasikara indray omaly ny delegasionin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France)

 

 tetsy amin’ny Carlton Anosy. Anisan’izany ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (GEM), ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM), ny Vondrona TELMA, ny Guanomad sy ny sisa.  Niresaka mivantana tamin'ireo mpandraharaha Malagasy izy ireo ary nilaza fa hijery ny zava-misy eto Madagasikara sy ny ho mety fiaraha-miasa hotanterahina. Nanambara ireto vondrona ireto fa mahaliana avokoa ny sehatra ara-toekarena rehetra misy eto Madagasikara ka hitsirika mafy ny ho fampiasana vola eto amin’ny firenena no tena anton-diany. Saika niverimberina hatrany ny resaka momba ny olan’ny sehatra angovo sy ny harena ankibon’ny tany izay tena noresahan’ireo vahiny liana te-hampiasa vola. Saika adino sy anjorom-bala kosa ny tokony hampiasam-bola tena mety hatao dia ny mahakasika ny fambolena. Maro mihitsy ireo mpandraharaha no gaga sy velon-taraina teny an-toerana satria ny 90%-n’ny Malagasy no tantsaha ary miaina eny amin’ny tontolo ambanivohitra nefa zara raha nitodihana ny resaka momba izany. Misokatra amin'ny fifandraisana ara-toekarena i Madagasikara nefa tena ilaina kosa ny mametraka fepetra hanatsarana ny fampiasam-bola sao dia zara raha mahazo tombony na ho fatiantoka hatrany ny an’ny Mpandraharaha Malagasy fa ireo vahiny ireo foana no higoka ny tombony. Ny 80%-n’ny orinasa misy eto Madagasikara dia madinika sy salantsalany avokoa ary ny famatsiam-bola azy ireo no tena olana ka ilaina ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT