Toekarena

Vondrona STAR Miara-miasa amina tantsaha Malagasy miisa 20.000


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Vondrona iray anisan’ny manampy sy manohana ireo tantsaha Malagasy eto amintsika ny vondrona Star.

 

 Hatreto, mahatratra 20.000 ireo tantsaha miara-miasa aminy manerana ny Nosy, hoy Razafindrakoto Karine, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny orinasa. Ny orinasan’izy ireo Malto no tena mahazo tombony  satria ny 50 %-n’ny akora fototra ampiasainy amin’ny fanamboarana labiera dia avy eto an-toerana avokoa. Tsy latsa-danja ny orge izay azo ambolena aorian’ny fiakaran’ny vary, ny katsaka ary ny siramamy mena izay mbola avy amin’ireo tantsaha Malagasy ihany koa. Tsy maka ny vokatr’ireo tantsaha fotsiny anefa ny vondrona Star fa mamatsy masomboly sy zezika sady manome fiofanana ara-teknika nefa tsy miova ny mari-bola handraisany ny vokatra. Mandritra ilay foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana tanterahina eny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato no nampahafantaran’ny vondrona Star izany tamin’ny mpanao gazety, omaly.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT