Toekarena

Vondrona STAR Hentitra amin’ny kalitaon’ny entana amidiny


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Tanterahina nanomboka omaly zoma etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ary hifarana anio sabotsy ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny sakafo .

 Anisan’ny voizina sy hampahafantarina ny mpanjifa ny kalitaon’ny sakafo tokony hohanina ho fitandroana ny fahasalamana. Lohalaharana amin’ireny ny daty voasoratra amin’ireo karazana sakafo toy ny pate jaune sao sanatria efa lany daty ka mety hivadika poizina, ny fomba nanamboarana azy, ny ozinina nolalovany… Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ity hetsika ity ny vondrona Star izay mpamokatra zava-pisotro eto amintsika. Nambaran-dRamatoa Karine Razafindrakoto, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny orinasa Star fa zava-dehibe ho azy ireo tokoa ny fampahafantarana ny mpanjifa ny kalitaon’ny sakafo haniny tahaka izao. Ho azy ireo dia tsy tokony hatao ambanin-javatra izany satria miantoka ny fahasalaman’ny mponina. Anisan’ny hampahafantarin’izy ireo ny fomba fikarakarany ireny zava-pisotro ireny, manomboka amin’ny akora hampiasainy, ny fotoana hahafahana mihinana na misotro azy, ny ozinina lalovany. Anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity ihany koa ireo mpianatra ho mpitsabo manovo eny anivon’ny fakiolten’ny médecine eny Ankatso.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT