Toekarena

Vondrona Eoropeanina Mitaky fitantanana mangarahara


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Vola mitentina 518 tapitrisa euros no natolotry ny Vondrona Eoropeanina ho an`i Madagasikara entina hamitana ireo fotodrafitrasa fampandrosoana maro samihafa.

 

 

Hanamafy orina hatrany ay fiaraha-miasa ny firosoana amin`ny fampandehanan-draharaha samihafa hametrahana ny tena fampandrosoana marina eto amin`ny firenena. Raha tsiahivina, niteraka resabe ny famoahan`ny Vondrona Eoropeanina ny taratasy misokatra nangatahan`izy ireo fanazavana manoloana ny fanamboarana tetikasa amin`ny lalam-pirenena fahadimy(RN5). Tsy nisy ny olana raha ny nambaran`ny masoivohony tamin`izany fa fangatahana fanazavana ara-teknika no tena takiany. Omaly, mbola nohamafisiny fa vonona hatrany izy ireo hanampy tosika an`i Madagasikara hanatrarana ireo vinam-pampandrosoana. Teboka napetraka hatreto ny fangaraharana ny fitantanana miankina amin`izay tohana ara-bola izay. Nilaza ny minisitry ny vola, Richard Randriamandranto, fa tsy maintsy harenina ny lesoka rehetra nampihisatra ny famatsiam-bola ho an`i Madagasikara tao anatin’ny taona maro noho ny ffisian’ny gaboraraka tamin`ny endriny maro ihany koa. Tafiditra tanteraka ao anatin`ny tanjona ankapobeny apetraka amin`ny fifanaraham-piaraha-miasa ihany koa, indrindra eo amin`ny sehatra telo hiompanan`ny fampiasam-bola  ao anatin`ny 11e FED. Nilaza moa ity minisitra ity fa tsy maintsy nisy ny fanatonana vaovao tamin`ity taona ity ary misy ihany koa ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay mbola eo amin`ny fandrafetana azy isika.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT