Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-60 taona nijoroany ny vondrona Eoropeanina amin’izao fotoana izao, ka nisy ny lahateny mikasika izany nataon’ny masoivoivohony eto Madagasikara, Antonio Sánchez-Benedito teny amin’ny Villa Iranja Tsarasaotra omaly.
Nivoitra tamin’ny lahateniny ny filazana fa hafa ity taona izay nitsingerenan’ny faha-60 taonan’ny Fifanarahan’i Rome na “Traités de Rome”, izay loharano niaingan’ny vondrona Eoropeanina ity. Kihon-dalana lehibe teo amin’ny tantaran’ny mahaolona izy io satria teo no nanombohan’ny fiombonana ara-toekarena, politika tany Eoropa raha toa ka ady sy fifamonoana no najaka talohan’izay, hoy ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina. Mikasika ny fifandraisan’ny vondrona Eoropeanina manokana amin’i Madagasikara kosa dia nilaza ho eo foana ny vondrona Eoropeanina, ka nanampy sy mankasitraka ary manohana an’i Madagasikara. Noderainy manokana ny nahatanterahana ny fihaonan’ny COMESA sy ny Fiahaonana tampon’ny Frankofonia. Nanamarika ihany koa Antonio Sánchez-Benedito fa lohalaharana tamin’ny fanampiana an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny fanampiana an’i Madagasikara taorian’ny rivodoza Enawo. Milaza ho nanampy tosika an’i Madagasikara ihany koa izy ireo tamin’ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola tany Paris Frantsa. Mankahery ny Governemanta tsy ho kivy kosa anefa fa manentana hatrany amin’ny ezaka hisian’ny mangarahara, izay antoka hisokafan’ny famatsiam-bola sy fivoahan’ny vola nampanantenain’ny sehatra iraisam-pirenena. Midika izany fa tsy mahatoky ny mpitondra ny vondrona iraisam-pirenena matoa tsy mipotsaka mandrak’ankehitriny ny vola be nampanantenaina. Mbola ady goavana ny resaka ady amin’ny kolikoly izay sakana ho an’ny fanampiana an’i Madagasikara, saingy tsy hita aloha izay tena finiavan’ny mpitondra hatreto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.