Toekarena

Vondrona Eoropeanina Hamatsy vola 22 tapitrisa dolara an’i Madagasikara


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Hanome vola mitentina 12 tapitrisa dolara ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa AFAFI – Centre izay tetikasa ho fanampiana ara-bola ny fambolena sy ny seha-pihariana ahafahan’ny rehetra eto afovan-tany mandray anjara.

 

 

 Ankoatra izay, mitentina 10 tapitrisa dolara kosa no hovatsiany amin’ny alalan’ilay tetikasa PADEIR na tohana ho an’ny fampiroboroboana ny fanondranana entana mankany ivelany sy ny fampivoarana ny any amin’ny faritra. Tontosa omaly teny amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola teny Antaninarenina ny fanavaon-tsoniam-pifanarahana mahakasika izany. Nisolotena ny fitondram-panjakana ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandrato sy ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana Lantosoa Rakotomalala. Mitentina hatrany amin’ny 22 tapitrisa dolara izany ny famatsiam-bolan’ny vondrona Eoropeanina amin’ireo tetikasa roa ireo izay nosoniavin’ny solontena maharitra miasa eto Madagasikara, Andriamatoa Giovanni Di Girolamo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT