Toekarena

Vondrona afrikanina Mampirisika ny fiaraha-miasa «fanjakana-tsy miankina»


  • Talata 21 Martsa 2017

Nanomboka omaly ao Maorisy ny AEP (African Economic Plateform) andiany voalohany eo amin’ireo mpitondra fanjakana, mpandraharaha, firaisamonina sivily ary mpanabe avy amin’ny oniversite eto Afrika.

Hovaliana ao anatin’ireo lohahevitra maro horesahana mandritra ny hateloana ny fampandrosoana ny maha olona, ny varotra anatin’i Afrika, ny fampiroboroboana orinasa sy ny fifanakalozana malalaka eo amin’ny olona sy entana, ny hoavin’ny kaontinanta afrikanina miaraka amin’ny fanomezan-danja ny fihariana ara-toekarena eto Afrika. Mandray anjara amin’ity fivoriana fampirisihana ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina tafiditra ao anatin’ny Vina afrikanina «Africa We Want» na ny Afrika tadiavintsika hatramin’ny taona 2063 karakarain’ny AUF (African Union Foundation), rafitra ao anatin’ny Vondrona afrikanina ity moa ny filohan’ny Repoblika Malagasy. Ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara izay marisarisa ihany ankehitriny noho ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny ACD (Advanced Cargo Declaration).

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT