Toekarena

Voly Penjy Hovelomina ao Farafangana


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Tapa-kevitra ny hamelombolo indray ny voly “Mahampy” izay ampisaina amin’ny fanamboarana harona sy satroka sy asa tanana maro samihafa ny fikambanam-behivavy ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Manamboatra distrikan’i Farafangana.

 

 Mahatratra 1m sy sasany ny haavon’ity voly ity rehefa tena vokatra, ary tsara kalitao ny entana vita aminy rehefa voakarakara tsara.  « Penjy » moa no hahafantaran’ny olona  kokoa ny « Mahampy », ary manerana ny nosy dia hain’ny Malagasy tsara izany hoe « satroka penjy » izany izay nampiavaka an’ny Pr Zafy Albert. Asa tanamaro no atao, izay tetikasa tohanan’ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy. 500 ny olona mandray anjara mivantana aminy izay mahazo 5.000 ariary isan’andro. Mety hampidi-bola 40 000 ka hatramin’ny 60 000 ariary isan-kerinandro ho an’ireo mpanao asa tanana ny fikirakirana ny penjy, izay efa zava-dehibe ho an’ny mponina any an-toerana ary mahavonjy azy ireo amin’ny fahasarotan’ny fiainana sy tsy fananan’asa. Tonga tany an-toerana ny zoma lasa teo ny minisitra Onitiana Realy nijery ny zava-misy ary nifanakalo hevitra tamin’ny mponina ihany koa. Tsy diso anjara ny fikambanam-behivavy tao Farafangana fa dia nahazo milina fanjairana ary hahazo fampiofanana manokana momba ny zaitra. Nitodi-doha nankany Manakara indray avy eo ny minisitra Onitiana Realy sy ny delegasionina notarihany. Asa avy hatrany no natrehana dia ny fanadiovana ireo lakan-drano tsentsina noho ny rivodoza sy andro ratsy. Asa niarahana tamin’ny vahoakan’i Manakara notarihan’ny ben’ny tanàna Giscard Andriano. Asa tsy maintsy natao mba ho fanadiovana ny tanàna sy hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina maro toy ny pesta. Hifantoka amin’ireo boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra indray moa ny asa tanamaro hiandraiketan’ny minisiteran’ny mponina amin’ity herinandro ity, araka ny fantatra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT