Nizotra mankany amin’ny fahamarinan-toeran’ny harifaobe (stabilités macro-économiques) ny firenena raha ireo tarehimarika sy ezaka voatanisa tao anatin’ny volavolan-dalàn’ny tetibolam-panjakana 2018 lasa no tanteraka. 5,1%
ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena, tazomina tsy hihoatra ny 7,8% ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana ary tena hohamafisina ny politikan’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Tokony hampiroboroboana ireo sehatra manaraka ny fambolena tahaka ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina. Tsy azo avela ihany koa anefa ny sehatra fambolena izay laharam-pahamehana eto Madagasikara. Nolazaina fa hampitomboina hatrany amin’ny 3,2% io sehatra io araka ny tao anatin’ny volavolan-dalàna tamin’ny 2018 lasa teo. Niiba hatrany anefa ny taha nentin’ny sehatra fambolena ka tsy nahasalama mihitsy ny toekarena. Sady tsy mahasehaka ny vahoaka manontolo ny fambolem-bary natao no nanjakan’ny fanondranana hatrany ka mila maka lesona izany amin’io taona ho avy io. Tanjona ihany koa ny hisian’ny tahirina vola vahiny hanatsarana hatrany ny toekarena ka amin’izany no tokony hananan’i Madagasikara tahiry mifanahantsahana amin’ny fanafarana entana mandritra ny fotoana maharitra. Raha eo amin’ny fampidiram-bolan’ny fanjakana indray dia tokony hisy ny fanatsarana mihoatra ny tamin’ny taona 2018. Tompon’antoka hatrany ny fitantanana ankapoben’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Ezaka fanamarinan-toerana fotsiny ny harifaobe aloha izany no natao tamin’ny taon-dasa ary mbola tsy tratra aza izany. Miankina tanteraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ny vinavina rehetra hatao amin’ny volavolan-dalànan’ny teti-bolam-panjakana. Ny voka-pifidianana miampy ny fitoniana ara-politika aloha no ainga voalohany fa raha tsy izay dia hanahirana hatrany ny fanatanterahana ireo ezaka rehetra hatao ao anatiny.
Legende: Rtoa Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona , minisitry ny vola (Sary Tahiry)
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.