Toekarena

Volamena 1,03 taonina nolazaina hodiovina Ahoana ny tohiny, sao dia efa niova bolongam-bato ?


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Ny 27 aprily 2022 no efa nankatoavina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fanadiovana ny volamena "or doré" ao amin'ny Banky Foiben’I Madagasikara (BFM) hodiovina ho lasa " or monétaire".

Efa nankatoavina ihany koa ny hampidirana azy ho tahirim-bola bahiny na “reserve de changes”. Ny fiandohan’ny volana jona no nambara ofisialy ny handefasana azy izay milanja 1,03taonina hodiovina any ivelany satria tsy vita eto Madagasikara izany, ka aty amin’ny faritr’I Afrika dia tsy misy afatsy I Afrika Atsimo no afaka manao izany, saingy niaraha-mahalala moa ny olantsika aminy noho ny raharaha volamena 73,5kg izay heverina fa mety antony tsy nisafidianana azy. Vitsy moa eto ambonin’ny tany ny orinasa manana ny fenitra sy manana ny fankatoavana iraisam-pirenena eken'ny London Billion Market Association manadio ny volamena ho lasa “or monétaire”, ka I Suisse no voalaza fa namaly ny antso. Eo am-panatanterahana ny pitsopitsony amin'ny fidirana amin'ny fanaovana " affinage" ny volamena voaangona ao amin'ny BFM ity farany amin'izao, hoy ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika ny 24 jona. Ny septambra 2022 indrayy anefa, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray an’ny Fanjakana indray fa “mbola eto Madagasikara, mbola tsy lasa any amin'ny firenena Soisa ny volamena milanja 1 taonina sy 3 kilao izay heverina hodiovina ho lasa "or monétaire ". Nolazaina fa mbola eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hahafahana manatanteraka izany ny Banky Foiben'i Madagasikara, araka ny nambaran'ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier. Volana janoary 2022 isika amin’izao ka tsy fantatra intsony hoe: inona ny tohiny sy ny niafarany? Nalefa nodiovina ihany ilay volamena sa tsia? Raha tsy nalefa, moa tena mbola ao sa sanatria efa nanjavona tahaka 36,433kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany izay tany amin’ny volana jona 2022 ihany koa no vaky am-batolampy ny resaka? Hatramin’izao iny raharaha iny tsy nisy tohiny intsony, tsy misy akony na eny amin’ny Bianco na eny amin’ny PAC (Pôle Anti-corruption) ka sao taorian’ny 36kg mahery nivadika korontamby tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany dia sanatria mety efa nivadika ho bolongam-bato ihany koa ny tao amin’ny BFM ?
ENCADRE
Raha ny tsiahivina ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty ny 13 desambra 2022 lasa teo, nahatratra 4,5 taonina ny volamena nivoaka an-tsokosoko teto Madagasikara nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny taona 2021 ka mahatratra 780 miliara Ar ny vola very tamin’i Madagasikara. Lojika raha mitombo ny ahiahy amin’ity trafikam-bolamena zavon-tany ity, izay tsy ny olon-tsotra sy ny vahoaka no madinika no mahavita an’izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT