Toekarena

Volam-panjakana Ilaina hatrany ny fahaiza-mitantana


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Tahaka ny mahazatra isan-taona dia nanatanteraka ny fivoriam-be ny Fikambanan’ny Agents Comptables eo anivon’ny andrim-panjakana nasionaly (EPN).

 

 Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana izany tetsy amin’ny Hotely Motel Anosy.  Tonga nanatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato sy ny Tale Jeneralin’ny volam-panjakana Ihaja Ranjalahy. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanambara ny Minisitra ny amin’ny tsy maintsy ikatsahana ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana.indrindra ny eo anivon’ny EPN. Tsy maintsy iadivana hatrany hoy izy ny endrika fanodikodinam-mbola rehetra izay tsy mahatafarina ny toekarena ary izany no maha-zava--dehibe sy mahasaro-pady ny asa iandreketan’ireo mikirakira ny volam-panjakana rehetra. Tsy vitan’izay fa ireo Agents comptables ireo mihitsy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampidirana sy ny famoaham-bolam-panjakana ka tsy maintsy mangarahara ny asa iantsorohany hoy indray ny Tale Jeneralin’ny volam-panjakana, Ihaja Ranjalahy. Araka izany dia tsy ilaina hoy izy ny fanararaotam-pahefana sy ny fambolena fifandraisana mety hiteraka kolikoly. Ankoatr’izay dia tokony hisy hatrany ny fitondrana fanazavana ara-teknika amin’ireo mpiasa tompon’andraikitra raha misy ny manjavozavo amin’ny ny andraikitra tanterahina. Tamin’io fotoana io dia nitondra ny tenin’ny mpiasa ny filohan’ny Fikambanana,Mamy Tiana Andrianantenaina,izay Agent Comptable eo anivon’ny Aviation Civile de Madagascar ary nampanantena fa hanao arak’izay tokony izy amin’ny asan’izy ireo. Ity farany izay nanambara rahateo fa misy akony mivantana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny asa iandraketan’izy ireo ka tsy maintsy atao anatin’ny fahamalinana sy fangaraharana tanteraka.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT