Toekarena

Vola vaovao 20 000 Ariary Manahirana ny fampiasana azy


  • Talata 18 Jolay 2017

Nikirakira vola vaovao indray ny Malagasy nanomboka omaly. Nivoaka ary nampiasaina manerana ny Nosy nanomboka omaly mantsy ireo ravim-bola vaovao amin’ny endriny hafa toy ny 2.000 Ar, ny 5.000 Ar, ny 10.000 Ar ary ny 20.000 Ar mitambatra.

 Mampiavaka ireto vola  taratasy vaovao  ireto raha araka ny fantatra  ny singa fiarovana  tsara  kalitao ho fisorohana ny hosoka sy ny fanaovana vola sandoka. Toraka izany koa ireo karazana  sary maneho haren’i Madagasikara  manerana ireo faritra enina mandrafitra ny endrik’izy ireo. Na izany aza dia tsy hankasitrahan’ny rehetra  loatra ny fisian’izy ireo amin’ny ankapobeny, indrindra fa ilay 20.000 Ar mitambatra. Ho an’ny mpitatitra mantsy dia tena hanahirana azy ireo tokony ny haka 400 Ar amin’ny lela-vola 20.000 Ar alohan’ny mpandeha raha vao mainka hanome vahana ny mpanendaka sy ny mpanao afera ny fisian’izy ireny ho an’ny olon-tsotra. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Ramatoa Sarobidy, Renim-pianakaviana niteraka roa : Ho anay tantsaha aloha tena tsy mety ilay 20.000 Ar mitambatra e !  100 Ar sy 200 Ar ange  no alaina amin’io lela-vola io mba hividianana kafé sy siramamy ary savony kely satria izay no mba takatray e! Raha betsaka indrindra tsy mihoatra ny 5.000 Ar ny vola lanianay ao an-tokantrano isan’andro.

Ramatoa Miangaly, mbola mpianatra  : Mbola tsy zakan’ny saintsika Malagasy ny fampiasana io lela-vola 20.000 Ar amin’ny ankapobeny. Efa renivola mihitsy mantsy no vakiana amin’izany  rehefa hanakalo azy isika. Ankoatra izay mety hiteraka olana goavana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpitatitra ny fanakalozana azy io an ! Ny mamerina ny 5.000 Ar aza amin’izao efa tena manahirana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT