Tsikaritra tato ato ny fahalanian’ny vola vaovao indrindra ireo vola taratasy majinika (petite coupure) teny amin’ny banky. Iaraha-mahalala anefa fa ilaina tokoa izy ireny satria manamora ny fifanakalozana ara-barotra andavanandro.
Araka izany dia hita fa maka fotsiny ny olona nefa tsy mametraka. Nohon’ny tsy fandehanan’ny fandraharahana eto Madagasikara amin’izao dia aleon’ny olona mampirim-bola fotsiny aloha. Mazava anefa fa ny fanodinam-bola ihany no miteraka harena saingy nohon’ny tsy fisian’ny zavatra tena atokisana hitera-bola dia misy ny olona mihondam-bola fotsiny. Izay fitahirizana vola an-trano izay no isany mahatonga ny vola lany any amin’ny Banky. Fantatra koa moa fa 5% ihany no olona miserasera amin’ireny banky ireny ka izany koa no mety antony mahatonga izany. Misy ireo olona be vola saingy nohon’ny fahasarotan’ny taratasy dia tsy voasarika hametra-bola any izy ireo. Ankoatr’izay dia misy ihany koa anefa ireo olona mandefa vola any ivelany izay antony iray mety mampihena ny vola eny amin’ny banky. Araka izany dia misy voka-dratsy amin’ny lafiny toekarena izany fihenan’ny vola mihodina eny amin’ny Banky izany satria midina aloha ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Ho an’ny vola madinika (petite coupure) toy ny 100 hatramin’ny 2000 Ar dia mananisarotra ny fifanakalozana ara-barotra. Rehefa tsy misy anefa ny fanodinam-bola ataon’ny mpandraharaha dia mazava ho azy fa mihena mihitsy harena tokony aterak’izany. Tsy miaina amin’ny tokony ho izy ihany koa ny Banky ka miteraka olana sy fahasahiranana amin’ny asany andavanandro izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.