Toekarena

Vola taratasy taloha Tsy maintsy eny amin’ny banky no atakalo


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Tapitra tanteraka ny 31 desambra 2019 teo amin’ny misasak’alina ny fahafana mampiasa sy mamezivezy ireo vola taratasy nivoaka tamin’ny taona 2003 sy 2004.Eo moa ny 100 Ar, 200 Ar, 500 Ar, 1000 Ar, 2000 Ar ary ny 10 000 Ar.T

 

 

 

 

sy maintsy mankeny amin’ny banky ireo rehetra mbola manana ireo vola taratasy ireo nanomboka omaly 1 janoary 2020 ka manakalo azy ireny amin’ny vola vaovao.Marihana tsara fa voararan’ny lalàna ny mivarotra vola ary maha voasazy izany hoe mety misy alaim-panahy hivarotra ny 10 000 ariary fahiny ohatra ka atao latsaka ambany ny vidiny tahaka ny hoe atakalo 5000 ariary vaovao…tsy mety ary  tsy azo atao.Fahendrena ny manantona banky, ary mandray sy manakalo avokoa ny banky rehetra manerana an’i Madagasikara.Tsy misy vola hafa aloha na hoe mihen-danja ilay vola far aha 5000 ariary taloha no entina dia soloina ilay 5000 ariary vaovao.Tany ho an’ny amin’ny fetin’ny krismasy izany hoe ny faha 25 desamba 2019 dia efa mar ireo mpivarotra tsy nety nandray intsony ireo vola taratasy taloha ireo; ankehitriny moa izany dia efa tsy mandeha eny amin’ny tsena intsony izy ireo koa dia anjaran’ny tsirairay no mandamina ny fotoana mankeny amin’ny banky raha toa ka mbola nanana vola taloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT