Toekarena

Vola sy teknolojia Miala any indray ny BNI-NET


  • Zoma 21 Aprily 2017

Nanavao tanteraka ny fomba fiasany ny Banky BNI Madagascar entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta toy ny finday sy ny tablette  no hanatontosany izany ka tafiditra ao anatin’ireny ny fanafoanana ny filaharana eny amin’ny toerana fakana vola, indrindra rehefa fety na faran’ny volana. Ao anatin’ilay sehatra BNI-NET no hahafahana manatanteraka azy ka azon’ny mpanjifa hatao tsara  manara-maso ny kaontiny ao anaty finday,  mifandray mivantana amin’ny mpitantana ny kaontiny, manontany taratasim-bola, manontany ny ambim-bola sy haka vola... Maimaimpoana avokoa fa tsy andoavam-bola ny fanatontosana izany. Nohavaozina koa ny tranonkalan’ity banky iray ity. Nanjary hita ao avokoa mantsy ireo tolotra maro samihafa toy ny findramam-bola sy ny fotoana hahafahana mamerina azy. Tsiahivina fa mbola hanokatra masoivoho am-polony ny BNI amin’ity taona ity manerana ny Nosy raha efa mahatratra 57 ankehitriny ny masoivohony.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT