Toekarena

Vola miditra ho an`ny fadin-tseranana Hampitomboina 18% amin` ny 2021


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Mampiditra volabe ny fadin-tseranana, 2 748,3 miliara ariary ny fitambarny

 

 

 

tamin`ny 2019 (2 427,9 miliara ariary tamin`ny 2018) ho an` ny fanjakana. Tamin` ity taona ity dia nihena ny vola niditra noho ny valanaretina COVID-19. Ho amin` ny taona 2021 kosa dia maminavina fiakarana 18% amin`ny fidiram-bolan` ny ladoany ny Fanjakana, araka ny voafaritra ao anatin` ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (PLFI) taona 2021. Tombanana hampiditra 2869,1 miliara ariary ny ladoany Malagasy ka 75% amin` izany dia avy amin'ny fanafarana entana samihafa (importations lourds non pétroliers) ary 25% avy amin'ny fanafarana vokatra solika. Tsara no manamarika fa nametraka drafitrasa ny ladoany Malagasy ho an`ny taona 2020-2023 raha nankalaza ny andro eran-tany ho an`ny ladoany, ny 26 janoary lasa teo. Fanamby apetraka: iray dolara miasa, tokony hampiditra 136 dolara eo amin`ny toekarena; fanamorana sy fanfainganana ny fifanakalozana varotra; tsy ho latsaky ny 75% ny fahombiazana eo amin`ny fanaraha-maso.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT