Vola malagasy

Mihen-danja, ratsy kalitao, mora rovitra…


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Volana maro izany izao no saika tsy nihetsika teo anelanelan’ny 5000 Ariary

hatrany ny vola eoropeanina na 1Euro. Mihen-danja ny vola malagasy na koa hoe ambany sanda, hoy ny filazan’ireo mpahaitoekarena azy. Tsy vitan’izay fa dia mampikaikaika ireo mpanjifa ihany koa ankehitriny ny resaka fifanakalozam-bola eny anaty fiarahamonina eny. Isany ny eny anivon’ireo fiara fitateram-bahoaka, ny fivarotan-gazety, ny fivarotana arina na saribao. Lasa miha ratsy kalitao ihany koa io vola malagasy io ary mora maloto sy mora rovitra. Efa tsy misy mampiasa intsony moa ankehitriny ireo vola vy. Tena efa andrinihina elika, hoy ny fomba fiteny, vao mety hahita an’izany any anaty elakelan-trano na mpitahiry vakoka isan-karazany any. Ny azo antoka kosa angamba, hoy ireo zokiolona sasany izay sady manao vazivazy zaritenany, dia ny tsy hiverenana intsony amin’ny antsoina hoe vola baoritra na «planche à billet», izay zava-nisy teto amin’ny firenena sy firenena zanatany frantsay hafa, talohan’ny nahazoana ny atao hoe fahaleovantena satria dia tena natevina toy ny baoritra tokoa ny vola nampiasaina tamin’izany nefa tsy nisy lanja na «valeur» raha tsy efa misavovona misimisy. Isan’ny vahaolana matetika miverina atolotr’ireo mpahaitoekarena hamahana io resaka tsy fahamarinan-toeran’ny vola malagasy io moa ny hoe tokony ho foanana, ohatra, ilay antsoina hoe MID na «Marché interbancaire de devise», izany hoe ampiharina eto amin’ny firenena ny fanaovana tahabola tsy miovaova fa tsy miankina amin’ny Euro sy Dolara intsony. Isany koa ny hoe tokony hampiroboroboina mihoatra ny fanafarana entana ny fanondranana entana avy eto Madagasikara ho any amin’ireo firenen-kafa any ivelany. Antony dia satria arakaraky ny habetsaky ny vola vahiny miodina eto amin’ny firenena no iankinan’izay fahamarinan-toeran’ny sandam-bola malagasy izay. Isany ihany koa ny fiarovana ireo volamena eto amin’ny firenena mba tsy hiondrana an-tsokosoko na amin’ny fomba tsy mazava lava izao. Ny vahaolana nefa moa teto dia naroso hatrany saingy ny fanontaniana mipetraka hatramin’izao dia ny hoe iza ary no mba mihaino izany?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT