Nitalakotrokotroka mafy ny namoahana an’ireo vola taratasy Malagasy vaovao 20.000 Ariary, 10.000 Ariary, 5.000 Ariary ary ny 2.000 ariary nanomboka ny 17 jolay 2017.
Mbola ahitana an’ireo vola teo aloha mivoaka hatrany anefa eny amin’ireo milina fakana vola amin’ireo banky (Guichet Automatique de Banque) misy eto amintsika ankehitriny amin’izay tsy mba vola madio sy milamina avokoa no mivoaka ao fa misy efa tsy tokony hampiasaina intsony tahaka ity hita amin’ny sary ity. Raha ny tetiandro dia hivoaka amin’ny 17 septambra 2017 ho avy io ny andiany manaraka amin’ireo vola taratasy vaovao 1000 Ariary, 500 Ariary, 200 Ariary ary 100 Ariary.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.