Toekarena

Vola Malagasy Ariary Nahazo aina raha mitaha amin’ny Euro


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Raha nisanda 4.470 Ariary ny Euro ny faraparan’ny taona 2021 dia nahazo aina ny vola Malagasy ary lasa 4260 Ariary izany ny jona 2022. Nahitana fiakarany 4,7%, araka izany, ny sandam-bola anatintsika.

Mitaha amin’ny Euro moa dia hatrany amin’ny 8,2% mihitsy izany fiakarana izany raha ny fampahafantaran’ny banky foibe eto Madagasikara ny talata teo. Nitotongana kosa anefa ny volantsika raha mitaha amin’ny Dolara satria dia hatrany amin’ny 3% izany fidinana izany. Raha 3.956 Ariary ny Dolara ny desambra 2021 dia efa lasa 4.074 Ariary izany namarana ny enim-bolana voalohan’ity taona ity. Ahiana ny fidinan’izany hatramin’ny 4%. Anton’io, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny banky foibe hatrany, dia noho ny fiakaran’ny lanjan’ny Dolara mitaha amin’ny Euro. Mitentina 2.248,8 tapitrisa Dolara hatreto ny tahiry mifandraika amin’ny fanondranana niseho ny 6 volana farany. Mitentina 2005,1 tapitrisa Dolara kosa izany, herintaona mialoha an’izao raha ny tatitry ny banky foibe hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT