Ahafantarana ny isan’ny olona erak’i Madagasikara na faritany na distrika na faritra hatrany amin’ny fokontany ny fanisam-bahoaka, hoy ny fanazavan’ny mpahay antontanisa, Tarzan Ndremitsara.
Hivoaka amin’ity volana febroary ity moa raha tsy misy ny fiovana ny antontanisa marina mikasika ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Mila fantatra ao anatin’ny firenena iray avokoa hatramin’ny isan’ny zaza teraka, ny isan’ny ankizy tokony hiditra an-tsekoly, ny tokony ho eny amin’ny anjerimanontolo sy ny hafa rehetra. Na ny fanatanterahana ireo praograman’asan’ny fitondram-panjakana aza, hoy ny tenany, dia miankina amin’ny fananana antontanisa voamarina. Ny avy amin’ireo minisitera miampy ny an’ny mpiantsehatra hafa rehetra dia ampitahaina amin’ny sampandraharahan’ny fanisam-bahoaka, ohatra dia hahafahana manara-maso ny fomba fiasan’ny mpiasam-panjakana. Rehefa fantatra ny fivoaran’ny isan’ny mponina isan-taona dia miankina amin’izay koa no hamantarana ny fivoaran’ny polisy ilaina na mpitsabo ilaina na zandary, ny hopitaly, ny vava homana sy ny hafa. Vola be no lany amin’io, noho izany, satria ny fanomanana ny atao hoe « Cartographie sansitaire » fotsiny izao dia 3.500.000 dolara no ilaina aminy. Ny antony dia satria io tsy maintsy tsinjaraina faran’ny kely ahafahan’ireo mpanao fanadihadiana manao ny fanisana ao anatin’ny fotoana ilana ilay antontanisa. Mihoatra ny 20.000.000 dolara, izay vatsian’ny banky iraisampirenena, ny fandaniana vao tontosa ny fanisana ho an’I Madagasikara manokana, hoy hatrany ny fanazavany. Volam-bahoaka ilay izy saingy zava-dehibe ny vokatra azo avy aminy satria amin’ny alalan’izay avokoa no ahafahana manatanteraka fampandrosoana rehetra na eo amin’ny resaka fanaraha-maso na eo amin’ny resaka fahafaha-mihetsika rehetra. Rehefa tsy tomombana ny antontanisa dia na ny fiaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa mpiara-miombon’antoka aza lasa manahirana, hoy izy, ary antony maha voatery hanaovana ireny fanadihadiana be dia be ireny. Isaky ny 10 taona no tsara hanaovana fanisana. Rehefa fantatra io dia misy fifanarahana tokony hifanaovan’ilay firenena amin’ny mpamatsy vola. Matetika dia an’ny mpamatsy ny 80%-n’ny fandraisana anjara ary 20% an’ilay firenena fa ny tena tsara dia toy ny an’ny ao Senegal izay mifamadika amin’izay, hoy hatrany ity mpahay antontanisa ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.