Toekarena

Vola azo amin` ny fanondranana Hamafisina ny ezaka efa natao amin’ny fampodiana azy


  • Talata 12 Janoary 2021

Ao anatin'ny toe-java-misy ankehitriny, mandroso soso-kevitra ireo mpahay

 

 

 

toekarena amin` ny fisokafan' ny sisin-tany mba hanohanana ny famerenana ny toekarena eto amintsika sy ny fidiran' ny vola vahiny ho eto Madagasikara. Etsy ankilany, ny Governemanta dia efa maminavina ny fiverenan'ireo hetsika ara-pizahantany tsikelikely ao anatin` ny telo volana voalohany ho amin`ity taona ity. Vinavinaina ihany koa ho 27% ny vola miditra amin` ny fanondranana ho an`ireo orinasa afakaba, ary koa ny fampiakarana ny fampiasam-bola mivantana (IDE). « Ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) dia mikasa ihany koa hanangana tahiry fifanakalozam-bola vahiny sy volamena bebe kokoa, mba hiantohana ny fiovan' ny vola tena ampiasaina amin'ny varotra, toy ny dolara. Ny fepetra, toy ny fanamafisana ny fifehezana ny fampodiana ny vola azo amin'ny fanondranana, dia horaisin'ny Fanjakana sy ny BFM ihany koa hiadiana amin'ny famoahana vola ", hoy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT