Toekarena

Vokatry ny Harena an-kibon’ny tany Malagasy Lasa any amina trafika ny ankamaroany, hoy ny mpikaroka


  • Talata 05 Oktobra 2021

Tontosa omaly teny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso ny fanohanana voka-pikarohana ahazoana ny diplaoma HDR na “Habilitation à diriger des recherches” an’ny Dr Andriamamonjy Solofomampiely Alfred,

 mpikaroka momba ny jeolojia. Tsy mipetraka tsara ny rafitra itantanana ny firenena, hoy izy. Toy izay koa ny politika dia zary lasa any amin’ny trafika daholo no mandeha ireny vokatry ny tanintsika ireny. Mila ampanarahana ny lalana ny fitrandrahana rehetra eto amintsika raha tiana hitondra zavatra be dia be eto amintsika. Izay izy lasa any amina trafika izay ny ankamaroan’ny vokatry ny harena an-kibon’ny tanintsika no sakana tsy mampandroso antsika. Ankoatran’ny hoe ilay zavatra nataoko teo izao resaka vato GEM, mbola misy zavatra be dia be izay tsy haintsika mihitsy sy tsy nampahafantarina na ho anareo mpanao gazety aza. Mety any amin’ny praogramam-pampianarana mihitsy no voa. Misy ny karazana toy ny hoe akora fototra na “métaux de base” izay ilaina amina tekinolojia. Ny zavatra entinareo mandray feo izao dia avy amina vokatra jeolojika ny ankamaroany. Ny “terre rare”, ny nikela sy kaobalita, ny elmenita any Taolagnaro ireny, ny zavatra toy ireny dia tsy heritreretintsika Malagasy mihitsy. Toy izay koa ny grafita. Be dia be io aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimon’Antananarivo. Ireny no hanaovana “fibre de carbone”, “carrosserie” sy izay rehetra tsy eritreretintsika mihitsy. Tsy fantatsika Malagasy ilay izy dia tsara hatsaraina izay zavatra izay, hoy hatrany ity mpikaroka ity.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT