Toekarena

Vokatra vita Malagasy Mivoatra ny fankafizan’ny mpanjifa azy


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Isan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika fampirantiana vita Malagasy “Kanton’I Gasikara” tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina omaly ireo mpanao asa tanana avy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.

 Maro mpanan-talenta, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Yasimbola Faramalala, ny ao Atsimo atsinanana fa mbola tsy dia be mpahafantatra. Tanjona noho izany ny hampahafantatra izany, hoy izy. Tsara tarehy sy azo ampiasaina tsara ny vita Malagasy ary afaka ifaninanana amin’ny any ivelany. Isan’ireo vokatra naranty mampiavaka iny faritra iny ny “Fandambanana” izay solon’ny lamban-databatra efa hatramin’ny andro taloha. Ao koa ny satroka sy harona ary kojakojan-dakozia izay mampiavaka an’Atsimo Atsinanana. Ny kojakojan-dakozia moa dia niaraha-niasa tamina mpanao asa tanana Malagasy iray ka asongadina ao anatiny ny fahaiza-manao sary maneho ny hakanton’I gasikara hanaingoana ireo kojakoja ireo. Tsy voatery manao fitsidiham-paritra noho izany ny olona fa mijery ilay fitaovana dia efa mahazo sary an-tsaina ireo toerana. Hita ho miha liana amin’ny vita Malagasy isika ankehitriny ary manaporofo izany ny hita amin’ny haino aman-jery na eo amin’ny resaka filatroana ion a fitaovana hafa dia efa vita Malagasy no saika lamaody. Miha matanjaka kokoa noho ny teo aloha izany. Izahay izao mandray mpanjifa eo amin’ny 10 isan’andro eo ary ny 8 amin’izay dia Malagasy avokoa ka tena mahafaly ny mahita izany fivoaran’ny fankafizantsika ny vita Malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Yasombola manazava ireo kanton’Atsimo Atsinanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT