Toekarena

Vokatra ronono eto Madagasikara Mbola ambany dia ambany


  • Zoma 20 Aprily 2018

Hiditra amin’ny andiany faha 4 ny 18 ka hatramin’ny 20 mey izao ny foira ekonomika lehibe ao Vakinankaratra na ny « Zovy 2018 » atao ao Antsirabe.

 Nisy ny fampahafantarana tamin’ny ankapobeny momba ity hetsika ity tetsy amin’ny FDL Anosy omaly no sady nanararaotan’ny lehiben’ny faritra avy any an-toerana, William Rakotonarivo, sy ireo mpikarakara ny hetsika ihany koa moa nilazana ny tontolom-piainan’ireo tantsahan’i Vakinankaratra, izay mameno ny 85%n’ireo mponina. Isan’ny mampalaza iny faritra iny moa ny famokarana ronono saingy nanambara izy ireo fa mbola tsy ampy hahafahana manenika ny famokarana vokatra vita amin’ny ronono manerana an’i Madagasikara hatreto ilay 24.000 litatra isan-taona. Ny 60%n’ny filana ronono amin’ireo orinasa mila izany hatreto no sarona fa ny 40% kosa dia mbola ilantsika ny fanafarana vovo-dronono avy any ivelany. Ilaina araka izany, hoy izy ireo, ny fitadiavana fiaraha-miombon’antoka sy fampianarana ireo tantsaha hiditra bebe kokoa amin’ny fiompiana omby vavy be ronono satria mbola malalaka ny tsena anatiny amin’iny sehatra iny. Ankoatr’izay moa dia ho maro lafy ireo vokatra avy any amin’iny toerana iny ho aranty anaty tranoheva miisa 120 eo ho eo, toy ny paiso sy ny ovy ary ny kaki. Ny tanjona dia nahafahan’ireo tantsaha sy mpandraharaha mahazo tombony sy hamokatra avo 100 na 1000 heny amin’ny ankehitriny, hoy hatrany ny mpikarakara.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT