Toekarena

Vokatra Malagasy Tombony be no azon’ny firenena vahiny


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Misy tokony hahodina eto Madagasikara ihany ireo vokatra mampiavaka ny firenena.

 

 

 

 Rehefa miditra fotoam-pahavaratra tahaka izao, ohatra, dia maro be ny vokatra miakatra. Raha tsy hilaza ireo voankazo fotsiny, misy ny manga, ny lodsia ary ny paiso. Misy amin’izy ireny tena mitobaka be ary tokony hampiditra vola ny amin’ny fanodinana azy eto ihany. Mahakasika ny famokarana Lodsia taona 2019 dia niakatra be ny vokatra saingy ratsy vidy. Nikaikaika mihitsy ireo tantsaha noho ny fitontongam-bidy. 700 hatramin’ny 1000 Ariary no fangalana ny vokatra eny am-potony ary amidy amin’ireo mpanondrana 1500 hatramin’ny 2000Ar izany. Mihoapampana anefa ny tombony azon’ireo firenena hanondranan’i Madagasikara ny vokatra lodsia. Raha 20 000 Ar ny kilao any Frantsa dia tafakatra 13,99 Euro na 56356 Ar izany any Afrika Atsimo. Ao amin’ny Nosy La Réunion aza moa dia mahatratra 19,99 Euro na 80526 Ariary izany (1 Euro=4028,32 Ar). Tsy ny vokatra lodsia ihany no hahazoan’ireo firenena mpanafatra vokatra eto Madagasikara fa eo ihany koa ny lavanila, ny jirofo sy ireo vokatra fanondran’ny firenena. Mba misy ihany ny koperativa amin’ireny famokarana maro samihafa ireny saingy tsy misy ny fanohanana mafy orina avy amin’ny fanjakana. Tsiahivina fa 17 000 t ny fanondranana lodsia vita tamin’ity taona 2019 ity raha 18 000 t ny taona 2018. Ny tantsaha eny am-potony no tena voa mafy ary tsy mivoatra mihitsy ny fari-piainany ka tsy miteraka fampandrosoana eny ifotony izany. 

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT