Toekarena

Vokatra Malagasy Misy tokony hahodina eto Madagasikara ihany


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Manana ny faritra mampiavaka azy amin’ny famokarana i Madagasikara. Rehefa miditra ny fotoam-pahavaratra atsy ho atsy dia maro be indray izao ny vokatra hiakatra.

Raha tsy hilaza afa tsy ireo voankazo fotsiny, ohatra, manana ny manga, ny lodsia, ny paiso ny Malagasy. Misy amin’izy ireny tena mitobaka be ary tokony hampiditra vola ny amin’ny fanodinana azy eto ihany. Tahaka ny any Farafangana izao dia nanangana koperativa mihitsy ny minisiteran’ny indostria ny amin’ny famokarana lodsia. 4.000 taonina isan-taona ny vokatra miakatra isan-taona ary lasa amidy mora be fotsiny ny ampahany. Nanantona niresaka tamin’ireo orinasa lehibe tahaka ny TIKO, SOCOLAIT ary ny STAR mihitsy ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa araka ny nambarany tamin’ny sabotsy teo nandritra ny dinidinika natao tetsy amin’ny Carlton Anosy momba ny fifaninanana fananganana orinasa (startup). Nilaza ny tenany fa  vonona daholo ireo orinasa ireo hanampy ny koperativa hanangana rantsana ao aminy ny amin’ny famokarana zavatra miainga amin’ny vokatra lodsia. Mila asongadina hatrany ny  mampiavaka ny faritra tsirairay amin’izay famokarana ataony ary tsy hisy atao anjorom-bala mihitsy. Hiteraka fampandrosoana eny ifotony ary hampitombo hatrany ny asa teraka eto Madagasikara izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT