Toekarena

Vokatra Lodsia tamin’ity taona ity Tsy tsara, hoy ny depiote Famindra


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Nisokatra ny alatsinainy teo, indrindra ho an’ny faritra Antsinanana, ny taom-piotazana Lodsia, hoy ny solombavambahoaka lany tao Toamasina, Justin Famindra.

 

 

Tsy tsara ny vokatra, hoy izy. Saika nahitana kalitao na habe tsy takian’ny fenitra iraisampirenena avokoa ireo faritra mpamokatra toa an’i Maroantsetra, Vohipeno, Mananjary ary Manakara. Antony dia teo aloha ny fandalovan’ny rivodoza farany teo fa tsy ampy koa ny rotsak’orana nandritra ireo volana fitomboam-bokatra toy ny tamin’ny aogositra sy septambra ary oktobra. Tsy dia haharaka ny fenitra iraisampirenena io amin’ity. 2 alina taonina eo no vokatra ezahana enjehina isan-taona ary raha nojerena ny tamin’ny 2 sy 3 taona lasa dia nihoatra izany aza no hita. Tokony hahasahy hividy ambony amin’ireo tantsaha mpamokatra amin’izay ireo mpanondrana, hoy ity depiote ity, fa antony goavana tsy mampazoto ny tantsaha ankoatra ny fahanteran’ny fitaovam-piasana izay vidiana mora loatra hakan’ny mpanondrana ny vokatra amin’ireo tantsaha izay. 2000 ariary ny kilaon’ny Lodsia ny taona 2017 ka ny hirariana dia mba ho voatazona io vidiny io farafaharatsiny.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT