Toekarena

Vokatra eto Madagasikara Ny vahiny indray no mahazo tombony


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Manankarena i Madagasikara na harena voajanahary na harena an-kibon` ny tany. Maro ihany koa ireo vokatra hafa toy ny ny jirofo,ny kafe, ny lavanila…

 

 

Anisan'ny toekarena ananan` i Madagasikara ireo zavatra ireo ary vidina mora any amin` ny tantsaha nefa tsy fantatra izay hanaovana azy ka hahondrana mora any ivelany. Tsy misy rahateo ireo fotodrafitrasa mba hahafahana mampiodina ireo vokatra ireo ka hampiakatra ny vidiny ary mba ho lasa vokatra voafantina ka hahondrana lafo an'ny ivelany. Ohatra ny “reserve de Zahamena” dia ny vahiny no mandidy azy nefa ao avokoa ny harena an-kibon`ny tany no mbola betsaka eto amin` ny nosy. Hita ao avokoa ny karazana biby sy ny hazo sarobidy tokony hanavotana antsika saingy diso miantehatra amin` ny vahiny manimba antsika. Noho izany dia mbola hanjakany vahiny hatrany ny firenena na dia efa mahaleotena aza. Tokony handroso lavitra i Madagasikara manoloana ireo karazan-javatra maro hita eo amintsika sy ireo harem-pirenena ireo saingy tsy afaka hivoatra raha mbola manjanaka amin` ny endrika ankolaka ireo teratany vahiny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT