Toekarena

Vokatra azo avy amin’ny ranomamy sy ranomasina Hitondra fampandrosoana haingana ara-toekarena


  • Talata 19 Jona 2018

Ankoatra ny fambolena sy fiompiana, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany dia tena manankarena haren-dranomasina i Madagasikara.

 

Misy ny karazan-trondro maro be eto Madagasikara izay azo trandrahana tsara na ny fiompiana sa ny fanondranana azy. Anisan’izany ny “Caviar” fampiasa amin’ireo sakafo tena lafo vidy indrindra maneran-tany izay atody azo avy amina trondro iray antsoina hoe : “esturgeon “. Efa misy miompy sy mitrandraka eto izy io ary tombanana ho fahatelo manerantany ny firenena Malagasy amin’ny famatsiana izany aoriana kely ao. Azo atao tsara ny mampitombo sy ny manatsara ny fiainan’ireo karazan-trondro an-dranomamy sy an-dranomasin’i Madagasikara. Olana ny tsy fahampian’ny vola ny amin’ny fikarakarana rehetra ary mila faharetena ihany koa ny fiompiana sy ny fikojakojana manodidina izany. Tahaka ny nosy Maorisy sy Seychelles izay tena nanao ho zava-dehibe ny fampandrosoana miainga amin’ny fitrandrahana mitodika amin’ny ranomasina dia mila matotra i Madagasikara amin’io sehatra io satria efa ananany ny tombony rehetra manodidina izany . Tokony hisy hatrany ny fampivoarana ny  fanodinana sy ny fiompiana ny hazandrano eto Madagasikara. Ny fitrandrahana sy fampandrosoana mitodika any amin’ny tontolon’ny ranomasina dia hiteraka fandrosoan’ny toekarena amin’ny fotoana fohy ho an’i Madagasikara noho izy manana ranomasina maro. Hampivoatra sehatra vaovao izay mbola mangingina eto Madagasikara ka hiteraka famoronan’asa maro ihany koa izany ka hampiroborobo ny toekarena.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT