Toekarena

Vokadratsin’ny coronavirus Latsa-bidy ny ankamaroan’ireo voly fanondrana


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Vokatry ny mbola fisian’ny valan’aretina coronavirus dia tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny voly fanondrana amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

Raha ny any Nosy be fotsiny ohatra dia mahatratra hatrany amin’ny 70% ny fihenan’ny vidin’ny Ylang Ylang sy ny lavanila. Miditra fatiantoka avokoa ny mpivarotra sy ny mpamokatra ary ny mpandraharaha. Raha tsiahivina anefa dia ny 25%n’ny famokarana ylang ylang maneratany dia avy eto Madagasikara avokoa. Raha 5000 Ariary ny kilao tany teo aloha dia tafidina hatrany amin’ny 1000 Ariary izany amin’izao fotoana izao. Mahakasika ny lavanila dia mahatratra 200 000 ariary ny kilao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena kenefa tafidina 60 000 Ar izany ankehitriny. Vokatr’izany dia hihena be ny vola ampidirin’ny vokatra fanondrana ka miandry ny paikady sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ireo mpisehatra rehetra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT