Toekarena

Voka-dratsin’ny pesta Nihemotra ny 30%-n’ny mpizahatany ao Toamasina


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017

Nandritra ny fandalavon’ny minisitry ny fizahantany Ratsiraka Roland tao Toamasina ny zoma teo niaraka tamin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, nitondra ireo manampahaizan’ny OMS momba ny valanaretina pesta, lanonana natao tao amin’ny efitrano malalaky ny faritra atsinanana, no nahalalana fa efa mahatratra 20% hatramin’ny 30% ny famandrihana hitsidihana an’i Toamasina nataon’ireo mpizahatany no efa nanafoana ny fitsidihany.

Tafiditra amin’izany ireo mpizahatany anatiny izay vokatry ny fisian’ny pesta. Izay no nahatonga ny minisitra Ratsiraka Roland miezaka amin’ny fampahalalana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ireo tokony hatao rehetra mba tsy hisian’ny tahotra amin’ireo mpizahatany mbola tonga, ho izy ireo indray no masoivoho manoro ny namany ny zava-misy sy ny hetsika efa ataon’ny malagasy hiadiana amin’ny valan’aretina pesta ao Toamasina. Mitohy ihany koa ny fandrarahana fanafody amin’ireo efitrano fandraisam-bahiny sy ireo trano fisakafoanana, izay anisan’ny fanomezana toky ireo mpizahatany. Taorian’i Toamasina renivohitra dia anjaran’i Mahavelona Foulpointe sy Fenoarivo Atsinanana no notsidihan’ny minisitry ny fizahantany ny faran’ny herinandro teo. An-kilan’izay, misy sambo mpitondra mpizahatany Alemana miisa 2.000 mahery mikasa ny hiantsona ao Toamasina ny 24 oktobra izao. Miankina amin’ny fangataham-panazavana nalefan’ny orinasa “CARNIVAL” misahana ny sambo amin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny minisitry ny fizahantany anefa ny hahatongavany na tsia amin’io fikasany  handalo 24 ora ao Toamasina io. Ankoatra izay, mbola mihazona ny diany isaky ny 15 andro ao Toamasina hanomboka ny 07 novambra izao kosa ny sambo “COSTA”, izay mitondra mpizahatany an’arivony isaky mandalo, ka amin’ity taona ity raha tsy hisy ny fiovana dia im-18 no hiantsona  ao Toamasina isaky tapa-bolana ity sambo “COSTA” ity. Anio alatsinainy dia hisy ny fivorian’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ao Toamasina sy ireo tale misahana ny fitaterana sy ny talen’ny fizahantany mba handaminana ny fisahanana ireo mpizahatany vahiny ho tonga ireo.

 Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT