Toekarena

Voka-dratsin’ny Covid-19 Malagasy 2 tapitrisa mahantra fadiranovana


  • Alarobia 21 Aprily 2021

Tafiakatra 86%-n’ny Malagasy ankehitriny ka ny 25% amin’ireo tena farahidiny (extrêmement pauvre) raha ny tarehimarika avy amin’ny minisiteran’ny

 

 

 

 mponina, notaterina fampahalalam-baovao iray omaly. Tena nitombo be ny tahan’ny fahantrana tato anatin’ny 2 taona noho ny fisian’ny valanaretina “coronavirus” izay sady namono olona, namparefo ny toekarena. Analamanga sy ny manodidina, Mahajanga I sy Nosy Be no tena ahitana taham-pahantrana ambony indrindra noho fahaverezan’asa sy ny tsy fahafaha-miasa sahady. Olona 2 tapitrisa mahery no anaty fahantrana lalina. Noho ny covid-19, dia 137 600 ny fadiranovana teto Analamanga sy manodidina, 16 500 Mahajanga sy Nosy be. Mampihena ny fandaniana avokoa ny olona tena sahirana na ny manana fidiram-bola antonony. Misy olona tena indray mandeha isan’andro ihany no misakafo, ary ao ny in-droa isan-kerinandro tsy misakafo. Manodidina ny 6000 ariary ny vola miditra amin’ny tokantrano 1 isan’andro, misy fotoana aza tsy mahita, zara raha manana 100Ar. Sarotsarotra ny fiainana raha toa ka 4 mianaka no ao an-tokantrano. Ny maridrefy iraisam-pirenena dia 2 dolara isan’andro no tokony vola iainan’ny olona iray, izany hoe 7400Ar eo. Tena lavitra be an’izany ny eto Madagasikara. “57% ny marefo tamin’ny roa taona, amin’izao efa 86%, ary ny 20% dia tena mahantra fadiranovana, hoy ny Minisiteran’ny mponina. Nambara moa, fa efa nanomboka tao anatin’ny 3 volana lasa ny tosika fameno hanampiana mponina 2 tapitrisa, ary mbola mitohy amin’izao.

TAHA AMBONY INDRINDRA HATRAMIN’NY 2012

Tsiahivina fa ny 16 desambra 2020 no efa nilaza ny Banky Iraisam-pirenena, fa niha nahatra ny vahoaka Malagasy. Mitovy amin’ny fiantraikan’ny krizy politika tamin’ny 2009 ny fiantraikan’ny krizin’ny covid-19. Tafiakatra 77, 4% ny taham-pahantran’ny Malagasy tamin’ny 2020, izay taha ambony indrindra hatramin’ny 2012, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Niampy 1, 4 tapitrisa ireo Malagasy miaina amin’ny 1,9 dôlara na manodidina ny 7 000 Ariary isan’andro, ary 64% tamin’ny tokantrano no very as any 6 voalohan’ny 2020 fotsiny. Mbola ambony lavitra ny tarehimariky ny Minisiteran’ny mponina, izay maneho fa miha sahirana tanteraka ny Malagasy. Azo eritreritreretina sy antenaina ny mba hiverenan’ny toekarena hiodina amin’ity taona 2021 ity, ary 2% ny fiakaran’ny harin-karena amin’izany raha ny vinavinan’ny Banky Iraisam-pirenena, saingy arahina fepetra tsy misy andiany faharoa amin’ny covid-19 io. 4,5% kosa ny nofaritan’ny Fanjakana ao anaty tetibolam-panjakana 2020. Moa mifanaraka amin’ny zava-misy ve ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT