“Maro ireo orinasa any amin’ny faritra no tsy afaka miodina intsony, marary tanteraka ny sehatry ny fihariana : ny fitaterana, ny fizahan-tany, ny asa-tànana, ny varotra isan-tsokajiny, …
sns noho ny fihibohana sy noho ny fihenan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy amin’ny ankapobeny” hoy ny VOIFIRAISANA/PFNOSCM. Taraiky loatra ny fiaraha-midinika amin’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny : efa fantatra mialoha fa tsy ho voavaha vetivety ny fiparitahan’ny aretina coronavirus, tokony tany amboalohany, araky ny antso efa nataon’ ny firaisamonim-pirenena tamin’ny fanambarany tamin’ny faha-3 aprily 2020 no efa nisy ny fiaraha-midinika nikarohana ireo fomba nanamaivanana ny fiantraikan’ny fihibohana ary koa namolavolana ny paikady hiatrehana ny fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy aorian’ny Covid-19, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.