Toekarena

« Vohitra Kanto Fihary” Nahasarik’olona tokoa


  • Alarobia 08 Martsa 2017

Efa iaraha-mahita ny haratsian’ny toetr’andro amin’ny faritra maro manerana ny nosy koa dia nandray fanapahan-kevitra ny minisiteran’ny mponina sy ny fitondram-panjakana fa dia hofoanana ny lanonana fankalazana ny andron’ny 8 martsa nokasaina hatao teny Mahamasina anio alarobia.

Tsy misy ny filaharambe sy ny karnavaly, tsy misy ihany koa ny fampisehoana iarahana amin’ireo artista, araka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena koa dia manaja ny fifandaminana ny minisiteran’ny mponina mpikarakara ary mankahery ireo namoy havana sy niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny lanonana hampahafantarana ireo mendrika tamin’ilay fifaninanana « Mizaka tena ara-toekarena ». Na teo aza ny andro efa nanjombona omaly teto Antananarivo dia tsy namela irery ireo mampiranty tao amin’ny « Vohitra Kanto Fihary » tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny minisiteran’ny mponina notarihan’i Onitiana Realy fa dia nitsidika ireo tranoheva izay tena nahaliana tokoa satria nampisongadina ny fahaizamanao sy ny traikefan’ny vehivavy Malagasy. Voasolotena tao ny faritra 22 ary nankafy ny fampirantiana ireo mpitsidika marobe tazana teny an-toerana. Voasarika manokana tamin’ny famelabelaran-kevitra momba ny fahaleovantenan’ny vehivavy amin’ny fihariana moa omaly ireo tanora.RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT