Toekarena

Vohemar Havaozina ny seranan-tsambo


  • Talata 18 Aogositra 2020

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny “culture de rentes” toy ny fambolena jirofo, lavanila... niaraka tamin` ireo lehiben` ny sampandraharaha ara-paritra ao SAVA ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) Richard Randriamandrato, omaly maraina tany Sambava.

 

 Manan-karena ity faritra ity saingy miharihary ny tsy fahampian` ny fanabeazana ara-bola (civisme fiscal). Nijery ihany koa ny fizotran` ny asa fananganana ny “hôtel des Finances » sy ny ivo-toerana momba ny ladoany any an-toerana ity delegasionina ity. Ankoatra izay dia nametraka ny vato fototra ho amin` ny fanavaozana ny ampahan-dalana mirefy 560 m izay mampifandray ny PMU sy Antamby ny MEF sy ny governoram-paritra SAVA Tokely. Ny hariva kosa fia nitsidika ny seranan-tsambon` i Vohemar ny MEF. Toerana stratejika, hoy ny minisitra, noho izy irery ihany no afaka mandray ireo sambo lehibe (bateaux long-courrier) ao amin` ity faritra ity ary afaka miantoka ny fifandraisana an-dranomasina. Etsy ankilany, efa saika simba sy rava ny fotodrafitrasa kanefa ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena no tena fahamehana mba hahafahana mampiroboro ny toekarena.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT