Toekarena

VOAMAMI Sehatra findramam-bola irosoana amin’ny fihariana


  • Zoma 27 Mey 2022

Ankoatra ny fampianarana sy tohana ara-bola dia isany tena mampiavaka sy ahafantarana ny tetikasa tanterahin’ny « Fonds d’intervention pour le developpement » ny vondrona VOAMAMI, izay ahafahan’ireo mpikambana manao tahiry avy amin’ny vatsy ara-bola na koa mindrana vola entina

mihary, hamoranana asa, hividianana masomboly, biby fiompy na koa fitaovam-panokarana. Raha ny ao amin’ny fokontany Anday kaominina Anjampaly, distrikan’ny Tsihombe Faritra Androy manokana dia iray amin’ireo vondrona VOAMAMI misy ao an-toerana ny « Vondrona vehivavy miray », izay nijoro efa ho dimy volana ary ahitana vehivavy mpisitraka ny FIAVOTA miisa 20. Amin’ny ankapobeny dia mirindra sy mangarahara tanteraka ny fanaovan’izy ireo tahiry sy ny fampindramam-bola, izay eo amin’ny samy mpikambana. Misy ny latsakemboka 200 ariary izay ataon’ny samy mpikambanana ary arakaraky ny lohan’omby, izay vidiana 1000 Ariary no vola afaka
indramin’ny mpikambana iray.

Noelina, varotra enta-madinika no hamelomany ireo zanany 6
Isan’ireo misitraka ny tetikasa FIAVOTA i Todisoa Noelina monina ao amin’ny fokontany Anday kaominina Anjampaly, distrikan’ny Tsihombe Faritra Androy. Manam-bady ary manan-janaka enina ny tenany. Ankoatra ny tohana ara-bola izay azony dia ny varotra enta-madinika sy biby fiompy no
hamelomany ny tokantranony sy ampianarany ireo zanany. Isany nanampy azy hampivoatra ity seham-pihariana ity moa ny findramany vola tao amin’ny VOAMAMI. Mikendry ny hanamboatra foto-drafitrasa maro ny ao amin’ny tanana misy azy i Noelina ka isan’izany ny trano izay honenany.
Izy moa dia iray amin’ireo lehiben’ny vondrona VOAMAMI any amin’ny faritra Androy.

Lalaina Rav

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT