Vizana tanteraka ny vola ariary

Miha mangotraka ny krizy ara-toekerana


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Miha vizana hatrany ny sandam-bola Malagasy.

Omaly 21 aogositra, tafakatra 5134,20Ar ny 1Euro teo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana ara-bola. Tsy mety tafarina fa miha mitotongana ny sandam-bola Malagasy. Porofo mivaingana manamafy ny fisian’ny krizy ara-toekerana, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana. Ny tsaroana taona vitsy lasa izay dia ny nilazan’Atoa Andry Rajoelina fa nahay nitantana izy, fa raha tsy nahay nitantana efa 10000Ar io. Toa zary lasa fanesoana ny Malagasy. Ny tsenan’ny fanondranana sy fanafarana entana na ny «balance commerciale » no isan’ny miantoka ny fahamarinan-toerana ara-bola, saingy mbola Firenena mpanjifa aloha isika amin’ny ankampobeny fa tsy mpanondrana. Tsy maharakotra sy tsy mahasarona ny tsy fahampiana vola vahiny ny fampidiram-bola avy amin’ireo fanondranana isan’ny mampisongadina antsika toy ny lavanila, jirofo, lodisia,… hatreto. Tahaka izany ihany koa ny fizahantany izay nolazain’ny Praiminisitra fa efa tena mandroso, kanefa mbola tena lavitr’ezaka ilay 1000 000 mpizahantany isan-taona hotratrarina hatramin’ny 2028. Ny 12 aogositra lasa teo nanoloana ny loholona, nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa tena zava-dehibe raha misy maromaro ny orinasa toa an’Ambatovy any Toamasina sy ny QMM ao Taolagnaro. Tao anatin’ny Fanjakana tany aloha avokoa ireny, fa raha tao anatin’izao fitondrana izao dia miharihary ny tsy fahatokisan’ny mpampiasa vola vahiny, na misy fa tsy dia ireo goavana ka tsy hita taratra firy amin’ny toekerana. Ireny niahara-nahita sy naheno ireny rahateo ny laza ratsy tamin’ny raharaha Gemfields nanamelohan’ny Britanika ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Romy Andrianarisoa, izay mbola niampanga tena sy niampanga ny Fitondrana, fa efa fanao ny fakana vola amin’ireo orinasa vahiny hanao fampiasam-bola eto. Ny olom-panjakana mivantana no mandeha mitango izany fa tsy ny bokin’andraikitra sy ny fifanarahana no mamaritra azy ? Mety hamaivanina sy hodiana adala ireny, saingy manaratsy endrika tanteraka an’i Madagasikara eo imason’ireo mpampiasa vola vahiny. Tsy ho vitan’ny Fanjakana irery anefa ny famoronan’asa, ny famokarana, ny fanodinana ireo indostria, ny fampandrosoana ankampobeny,… kanefa ny tontolo tokony hivelaran’izany tsy milamina, anjakan’ny kolikoly, rakotra antsojay. Ny vahiny tsy tena mahatoky, ny eto lasibatra sy volosana amin’ny endriny maro,… Dia io iaraha-mahita io, fa tsy manana vahaolana ara-toekerana mahomby sy azo tsapain-tànana fa milalao saim-bahoaka amin’ny resaka ambony latabatra hatrany no zary fomba fiasan’ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT